<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>292</hymn_number>
<title>Izahay natao batisa FFPM292</title>
<lyrics>[V1]
 Izahay natao batisa,
 Voarain'ny Tomponay,
 Ary efa voaisa
 Mba ho Zanaky ny Ray ;
 Voavelany tokoa
 Ny fahadisoanay ;
 Nefa mbola mora voa,
 Mora resy izahay.

[V2]
 Na ny asa, na ny teny,
 Na ny hevitra ao am-po,
 Mbola tsy madio ireny,
 Ka diovy Tompo ô !
 Mora aminay ny ratsy,
 Sarotra aminay ny to ;
 Mba ampio tsy ho resy
 Izahay, ry Tompo ô !

[V3]
 Raha mbola atý an-tany
 Izahay izay zanakao,
 Mba ampio tsy ho lany
 Ny finoanay Anao.
 Ry Jesosy Tompo soa,
 Tano mafy izahay,
 Mba ho azonay tokoa
 Izay anjara lovanay.</lyrics>
<author>Pilgrimssonger</author>
</song>